airtel

Actualités

17-avril-2024

Ambohimangakely

Bevohokan'ny "patron" ilay mpanampy tsy ampy taona

Sample post image

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

17-avril-2024

fa naolan’ny mpampiasa azy ary bevohoka enim-bolana ankehitriny. Raha araka ny fantatra dia efa herin-taona sy tapany izao no nanolanan’ny mpampiasa azy io tovovavy kely io, tranga niseho teny Ambohimangakely. Nametraka fitoriana ny fianakavian’ilay tovovavy kely noho izany ka efa nosamborina tamin’ny Sabotsy 13 Aprily lasa teo ilay Rangahy mpampiasa. Isak’izay fotoana mahamety azy moa dia manolana io mpanampiny io hatrany ilay Rangahy indrindra fa amin’ny fotoana tsy fisian’ny olona ao an-tokantrano. Mangataka ny hampiharana ny lalana amin’io lehilahy io araka izany ny fianakavian’ilay zazavavy kely. Vesatra roa sosona aloha izany no mibaribary eto, dia fanolanana zaza tsy ampy taona, fa eo ihany koa ny fampiasana zaza tsy ampy taona, izay voararan’ny lalàna.
Pati
Legende : Teto Ambohimangakely no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity !
 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

Misy ny fiomanan’ny kolonely Michaël Randrianirina

Card image cap
18-févr-2026

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana

Card image cap
18-févr-2026

Manohy ny fanoloran-tenany amin'ny

Card image cap
17-févr-2026

vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika,

Card image cap