sy rano malagasy, Fils Razafintsalama, nantsoin’olona tany Afrika, Burundi, hitantana orinasa mpamokatra herin-jiro amin’ny alalan’ny herinaratra azo avy amin’ny rano na «hydroélectricité». Voatendry ho tale jeneraly io namana io ary raha ny fahazoako ny vaovao farany avy any aminy dia misy tetikasa goavana mahatratra hatrany amin’ny 1 miliara Dolara ho tantanany, hoy izy. Malagasy io olona io. Manam-pahaizana no dikan’izany ny malagasy. Aza adinoina fa ny sata mifehy ny orinasam-panjakana JIRAMA dia manome fahefana feno ny governemanta hanendry izay tale jeneraly tiany. Ny hitsivolana 75-024 no nananganana ny JIRAMA. Mazava ny voalaza ao amin’ny andininy faha 24 fa tendrena eo anivon’ny filankevitry ny minisitra amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny tale jeneraly. Rehefa tonga fotsiny ilay olona dia iny izany no mampiasa anay dia mifanatrika aminay. Io no lalàna misy dia ampiharo! Samia manaja an’io! Tsy anjaranay mihitsy ny mitsikera ny fitondram-panjakana hoe tsy mety ny ataonao fa maka DG avy ary ianao! Rehefa miteny izy hoe tsy misy atokisana eto Madagasikara dia azy izany. Mila manaja lalàna fotsiny izy rehefa tonga eo. Efa hitanay izany tamin’ny andron’izay Rasamoela izay. Tsy vao izao ny JIRAMA no nentina vazaha raha ho entin’ilay olona izany indray. Vazaha miisa 2 no tao anatin’ny hoe «La mer international» nitantana an’io JIRAMA io tamin’ny fotoan’androny. Ny tenako izao mihitsy tamin’izany no nitarika grevy satria nisy fanapahan-kevitry ny vazaha tsy mety. Tsy ny vazaha no tsy tianay fa ny fanapahan-kevitra tsy manara-dalàna no notoherinay. Na gasy io na vazaha rehefa tsy manara-dalàna dia tonga izahay. Milamina ny rehetra rehefa voahaja ny lalàna. Raha ohatra moa ka tonga amin’ny hoe tapitra ny fanarahan-dalàna amin’ny tany iray, sanatria, dia zava-doza. Mba azontsika an-tsaina ve ny zava-misy any Haiti? Ireny rehefa tsy misy fitsipika intsony satria misy tokoa ny lalàna saingy indraindray ilay lalàna mihitsy no mivilana. Izay no mahatonga ny hoe andao ahitsy ny lalàna. Tsy misy tombotsoa amin’ny fifanenjehana sy fifanenjanana ary izao no antony hampirisihana ny fifampiresahana eo amin’ny mpiasa, mpampiasa, fanjakana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira