Ambohimangakely omaly Talata 05 Desambra. Manodidina ny 30 taona mahery eo ho eo izy io raha ny fahitana azy.Rehefa nanontaniana anefa ny anaovavy dia tsy nisy zava-pantany. Tsy tadidiny ny anarany, ny anaran-janany,ny toerana hipetrahany,ny anaran’ireo Ray aman-dReniny. Najanona ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely izy noho izany hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao. Raha ny tombana moa dia mety nanana olana ara-tokantrano na koa nanana adin-tsaina mafy ity vehivavy ity, antony niteraka izao fahaverezan-tsaina mahazo azy izao. Miantso ireo olona mahafantatra ity vehivavy ity araka izany ny zandary eny Ambohimangakely mba hanatona azy ireo na koa hampandre ny fianakaviany faran’izay haingana.
Pati
Legende : Ity amin’ny sary ity ilay vehivavy !
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,