airtel

Actualités

01-déc-2022

Actualités

Ambohitrandriana-Ambatondrazaka Tsy mbola hita ilay dadatoa mpanolana

Sample post image

Nitrangana fanolanana indray tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tamin’ity herinandro ity. Zazavavikely iray vao 4 taona monja no fantatra fa naolan'ny dadatoany.

01-déc-2022

Efa 27 taona ity farany izay dadatoany tena akaiky azy tokoa, raha ny vaovao, tranga niseho tao Ambohitrandriana/Ambatondrazaka. Efa nilalao ity zaza ity vao hitan-dRay aman-dReniny hafahafa nefa efa voaolana. Tsy mbola fantatra ny zava-nitranga tamin’io fotoana io fa ny hany tsikaritra dia nalaina nody ilay zaza nefa tokony efa hosasana amin’izay fa maloto. Efa hatory ny hariva ilay zaza vao nilaza fa misy malailay ny fivaviany. Nojeren-dRay aman-dReniny izany ka indro fa efa feno ra ny kilaotiny sy ilay fivaviana keliny. Rehefa nentina tany amin’ity dokotera ity zaza ity ka nozahana dia fantatra fa simba tanteraka. Lasa nitsoaka moa ilay dadatoa nahavanon-doza ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly hariva nahazoana ny vaovao. Lasa raiki-tahotra hatrany kosa ilay zaza noho ny herisetra ara-nofo mahery vaika nampiharina taminy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap