airtel

Actualités

20-juil-2022

Actualités

Ambohitromby Alasora Tsy fantatry ny kaominina ny fisian’ilay tany nahafaty olona

Sample post image

Olona roalahy fantatra fa mpikarama mpanarina tany samy avy lavitra no maty nihotsahan'ny tany teny Mandrangobato, fokontany Ambohitromby, kaominina Alasora afak’ omaly Alatsinainy hariva.

20-juil-2022

Olona sendra nahatazana azy ireo no nahatsikaritra fa tsy hita tampoka izy ireo ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy avy eo amin'ny CSB2 Alasora ary nandefa ny razana teny amin'ny tranom-paty HJRA Ampefiloha avy hatrany taorian’ny nisokirana ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Marihina moa fa vao 24 taona monja ny iray amin’izy ireo. Fenosoa Jean Dayan Pierrot no anarany nipetraka tao Ankazobe, kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova ary efa mpandravona tany no asany. Mbola tsy ampy taona kosa satria vao 16 taona monja ny iray zanak'i Rakotomandimby Jean Claude sy Ravoniarivo Justine, ary mpandravona tany ihany. Raha araka ny fantatra moa dia tsy nanatona ny kaominina izy ireo talohan’ny nanatanterahany ny asany na dia hakana torohevitra sy fanampiana ihany aza hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fakana ny vatana mangatsiakan’izy roalahy
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap