Nosakanan'ireo vahoaka mpitrandraka safira maro be ny làlana ary nikatso teo avokoa ny fiara. Voalaza fa, misy naman'ireo mpitrandraka voatifitry ny mpitandro filaminana any anaty ala any. Izay no nahatezitra azy ireo”, hoy ny fanamarihana. Ankoatra izay, nitaky ireo vahoaka mba hosokafana ho azo hitrandrahana malalaka ny ao amin'io ala fady Ambondromifehy io. Voalaza fa manao fisafoana matetika ao amin'io faritra arovana io ny MNP (Madagascar National Park) sy ny DREDD na ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ary ny mpitandro filaminana, ka misy ny mpitrandraka voalaza voasambotra. Tamin'ity, tsy nanaiky ireo olona satria nisy fitifirana, hoy ny fanamarihana. Voatery nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ireo zandary hanaparitahana ireo mpikomy izay nitokona nanomboka tamin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 2 ora tolakandro, hoy ny tatitra. Tokony ary tena adidin’ny Fanjakana ny miaro ny faritra arovana, manafay ireo mpandika lalàna minia mamotika tontolo iainana,… Fa moa ve tena mitovy ny rehetra eo anatrehan’io? Miainga avy any ambony ny ohatra satria ireny iaraha-mahita ireny ny hoe: misy depiote mpanao lalàna manome fahazoan-dàlana tsy ara-dalàna hahafahan’ny fiarany mitatitra hazo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ny Filohana andrim-panjakana no miteny fa izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bado azy. Hadihadian’ny Bianco avy eo dia tsy mamaly antso. Tsy miaro ireo vahoaka mety mamotika faritra harovana saingy mametra-panontaniana hoe: Natao ho an’iza marina ny lalàna? Iza no mpanome leson-dratsy? Mbola tany misy Fanjakana ve eto ?
Toky R
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”