airtel

Actualités

02-oct-2026

AMPITATAFIKA

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Sample post image

Ny fivangongoan'ny fako

02-oct-2026

no anisan'ny tena vesatry ny tanana iray amin'ny ankapobeny noho ny tsy fananana fahefana handroaka azy ireny. Ho an'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano manokana dia mahatratra 2 taonina isan'andro. Nitady fiaraha-miasa entina hanadiovana ny tanana ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina ka notoloran'ny ONG GRET fampitaovana toy ny fiara, kibota, bisikileta ary borety. Vaovao avokoa ireo fitaovana ireo. Havadika ho zezika avy hatrany ny fako voahangona mba hohampiasan'ireo tantsaha eny anivon’ny kaominina. 40 taonina hatreto ireo zezika efa voahodina ka efa nozaraina. Mariky ny fitohizan'ny fiaraha-miasa izay efa nisy teo amin'ny kaominina sy ny ONG GRET avokoa izany izay efa naharitra 12 taona. Na izany aza manara-maso hatrany ireo karazana fitaovana vatsiany ireny ny ONG GRET. Ho an'ny kaominina Ampitatafika manokana moa dia 10.000 Ar isan-tokantrano isan-taona no tokony hefaina eny amin'ny kaomina hatokana amin'ny fanadiovana izay efa tafiditra ao anatin'ny hetra tokony aloha. Hatreto anefa mbola vao ny 18%- n’ny mponina ihany no mandoa izany ka miteraka fahatarana amin'ny fanatanterahana ny asa.
Pati
Légende : Notoloran'ny ONG GRET mari-pankasitrahana ny Ben'ny tananan'Ampitatafika !
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

navadika ho lasantsy

Card image cap
12-oct-2026

Navaozina ny fiaraha-miasan’Ambatovy sy ny BNGRC

Card image cap
09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap