airtel

Actualités

06-oct-2021

Actualités

Ampitatafika Miezaka mitady loharanom-bola hafa ny kaominina

Sample post image

Ankoatra ny hetra izay nidinabe tokoa ny taham-pandoavana azy ho an’ny ankamaroan’ny kaominina vokatry ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19

06-oct-2021

 dia fantatra fa miezaka mitady loharanom-bola hafa avokoa ireto farany amin’izao. Ny mba hahafahana mandoa ara-dalana ny karaman’ny mpiasa no tanjona raha eo ihany koa ny mba hahafahana mijery ireo karazana fandaniana maro samihafa eo anivon’ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika Atsimondrano manokana dia fantatra fa miketrika hatrany ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina sy ireo mpiara-miasa aminy amin’izao mamaha izay olana izay. Anisan’ireny ny fampandoavana hetra ny mpivarotra isanisany ao anatin’ny kaominina ka ny an-tsasa-manilan’ireto farany no fantatra fa efa resy lahatra amin’izany amin’izao ary efa nandoa ny hetra tandrify azy entina hampiodinana ny kaominina. Na izany aza anefa hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina dia tsy nanana olana tamin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izy ireo hatramin’izay fa niezaka ny nandoa izany foana na dia teo aza ny valan’aretina Covid 19. Tsy nanana olana tamin’ny fandaniana entina hampiodinana ny kaominina ihany koa izy ireo fa niezaka tamin’izay teo am-pelatanany hatrany.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap