Tsy mandefitra manana ny rariny izy ireo Mahakasika ity olana ara-tany ity. Tany manan-tompo nefa anaovan’ny fiangonana katolika foto-drafitrasa amin’izao fotoana, hoy hatrany ny fanazavana. Nanao fitarainana teny amin’ny Nonciature Apostolika teny Ivandry omaly ny tompon’ny tany, nosoloin’ny mpitarika ny fitakiana, Be François, tena. Araka ny fanambarany taorian’ny fihaonana dia mametraka fitarainana amin’ny Nonce Apostolika eto Madagasikara izy ireo omaly 24 novambra 2022 satria noho ny antsojay ataon’ny Kardinaly sy “Vicaire Général” ao Toamasina manoloana ny tsindry ara-politika ka nametrahana vato fototra na “pose de première pierre” eo ambonin’ny tany izay “titré” amin’izy ireo ao Analamalotra. Manao antso avo ihany koa ho an’ireo rehetra lasibatra na niharan’ny karazana herisetra toy izao manerana ny nosy ataon’ny fiangonana katolika mba ho sahy hijoro sy hiady amin’ny tsy rariny toy izao. Tsy miteniteny foana izahay, hoy izy ireo, eto fa misy porofo. Any Fenerive-Est, ohatra, misy tanàna iray manontolo noravana. Any Toamasina misy tanin’olona “titré” miisa 3 nananganan’ny fiangonana katolika an-keriny fotodrafitrasa ary hakariny any amin’ny fitsarana mba hanery ity farany amin’ny alalan’ny politika. Soritanay etoana fa maro dia maro ny mpino katolika tsy miombon-kevitra amin’izao zava-misy any Toamasina izao. Tokony hikarohana vahaolana haingana raha azo atao izao raharaha izao mba tsy hisian’ny ady eo amin’ny samy mpino, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”