Miantoka ny 40% ny filàn'ny mponin'Antananarivo, Moramanga, Ambatolampy ary Antsirabe dia avy ato amin'ito tobim-pamokarana ito avokoa. Noho ny fahamaizan'ilay "Groupe" iray anefa dia niteraka fahatapahana 30MW indray izany ankehitriny ankoatra ny olan'ny faharitran'ny rano nisy teo aloha ka nahatonga ilay fahatapahana nisy tamin'ny volana novambra sy Desambra ireny. Ny tena loza anefa, rehefa tsy afaka miodina Andekaleka dia tsy maintsy manentsina ny banga amin'ny fotodrafitrasa miodina amin'ny solika izany mazava ho azy. Indrisy anefa fa tsy mifanaraka ary tsy araka ny tokony ho izy ny solika naterin'ny mpivarotra hanodinana ireo milina ireo, ary samihafa tanteraka ny nafarana sy ny naterina ary ny filàna. Vokany, lasa 100MW ilay "delestazy" 30MW teo aloha, raha ny zava-niseho ny alatsinainy teo, izay tena nampijaly ny delestazy, miainga adin’ny iray, roa, telo, efatra, dimy enina, fito, valo,... Lasibatra ny rehetra indrindra fa ireo mivelina amin’ny herinaratra. « Tsapa marina nandritra ity fidinana ifotony notanterahina omaly (10 janoary) ity fa tena niniana natao ilay fahamaizana nitranga ny 2 janoary lasa teo iny ary hita nandritra ny omaly hariva tokoa fa nitranga ilay izy rehefa lasa aty Andekaleka ny Filoha, ny "PCA Jirama", ny "DG Jirama" ary ny "DGAOP Jirama" dia faritra maro tao Antananarivo no niaina tanaty haizina nandritra ny fotoana lavalava », hoy ny Fanjakana omaly 11 janoary. Midika io, fa toa misy ny karazana gafy ataon’ny Kaompanian-tsolika, izay misy efa hatry ny ela no nanana olana tamin’ny Fanjakana noho ny resaka trosa mifampiditra. Tonga hatrany amin’ny hoe : fifampitoriana tany amin’ny Fitsarana. Efa nisy fandavana tsy hamatsy solika, saingy niditra tamin’ny « réquisition » ny Fanjakana. Mbola lonilony tsy voalamina noho ny resaka vola mifampiditra izany mazava ho azy no mahatonga ny hoe : tsy araka ny kaomandy ny solika. Tena refesin’ny kaompanian-tsolika ny Fanjakana, hany ka any amin’ny vahoaka no miantraika ny voka-dratsy. Aiza ilay fahefam-panjakana izay tokony hampiasaina amin’ny tombotsoam-bahoaka ?
VALISOA
Ankoatra izay raha tadidintsika dia efa nisy ihany koa ilay fanapahana "pylone"teny Andriampamaky ny volana novambra lasa teo. Manamafy izany ny fanomezan'olona vaovao mahakasika ireo ttompon’antoka tamin’ny fahamaizana tao Andelakeka ihany koa ny manampahefana. Omena lelavola manomboka amin'ny 1.000.000 ka hatramin'ny 50.000.000 ariary ireo izay mbola hanome vaovao. Na izany aza, efa eo am-pametrahana tanteraka ireo fitaovana vaovao ny ekipa ankehitriny ary antenaina fa ho vita haingana izany, hoy ny Fanjakana.
Toky R
Nanapa-kevitra hampihena ny asany tsy hanao afatsy ireo asa tsy maintsy hatao sy tsy azo hialana na « service minimum» ao amin’ny QMM Taolagnaro ny orinasa Rio Tinto.
Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny La Haute ville sy Andavamamba afak’omaly alarobia 18 mey noho ny fivarotana heroine fantatry
Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.
Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny alin’ny alahady 15 mey hifoha alatsinainy 16 mey lasa teo.