Raha araka ny fantatra dia ny Renin’io zaza io no tsikaritry ny manodidina nanao izany fihetsika mamoafady izany. Narahina porofo izany ka hita fa tsy nisy kibo intsony tokoa izy ary enim-bolana teo ho eo ihany koa ilay zaza nalany. Araka ny nambaran'ny lehiben'ny fokontany ao Andingadingana moa dia vokatry ny fandosirana adidy nataon'ilay rain-jaza no antony nanosika ity vehivavy ity hanala ilay menaky ny ainy tahaka izao ary nanary azy tany an-davapiringa. Vokatry ny vaikan’ilay fanalan-jaza anefa dia voatery naiditra hopitaly ity vehivavy ity manaraka fitsaboana. Hohadihadiana eny anivon’ny manampahefana kosa izy aorian’izany amin’ny maha-ain’olona ilay zaza tao am-bohoka nalany.
Nangonin’i Pati
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.