airtel

Actualités

28-janv-2022

Actualités

Andoharanofotsy Nandroaka bibilava no nahafaty an-drano ilay tovolahy

Sample post image

Tovolahy iray vao 26 taona monja no maty an-drano teny Malaza ambony, ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano afak’omaly.

28-janv-2022

Raha tsiahivina kely ny tantara dia tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany atoandro no nisehoan’ny tantara. Mbola nifampiresaka tamin’ny namany roalahy, ity tovolahy 20 taona ity talohan’ilay voina. Nahita bibilava sendra nandalo anefa izy nanoloana azy ireo ka nandraoka izany ho any anaty rano. Tahaka ny nentin-javatra izy telolahy nanohy hatrany ny fandroahana ilay bibilava ka lasa nandeha nilomano tao anatin’ilay rano miakatra vokatry ny orana mihitsy hoy ny manodidina. Tsy tafavaoka tao anefa ny iray tamin’ireto tovolahy telo ireto ka izao namoy ny ainy izao. Ora telo taorian’ny nahalatsahany moa vao hita ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy moa ny ben'ny tanana sy ireo mpamonjy voina ary ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap