airtel

Actualités

02-juil-2021

Actualités

Andriantsilavo Ravoniarijaona “Nisy nandrahona hisambotra aho”

Sample post image

Nanambara tamin’ny haino aman-jery tonga tetsy amin’ny Paositra Malagasy etsy Antaninarenina omaly ny mpitarika ny hetsika sendikalin’izy ireo, Andriantsilavo Ravoniarijaona,

02-juil-2021

 

 fa nisy nandrahona an-telefaonina ny alin’ny 30 jona teo, tamin’ny 10 ora sasany, fa ho samborina raha mbola manohy ny tolon’izy ireo. Lehilahy ilay feo, tsy nanafina laharam-pinday ary niteny hoe “Raha toa ka mbola mitohy io tolona io rahampitso dia samborim-potsiny eto ianao rahampitso maraina.” Ataoko toy ny fandemena na “intimidation” mitovy amin’ny rehetra ihany izany, hoy izy, fa ny ahy ny paositra Malagasy no arovako. Tsy misy mampatahotra ahy. Tiako marihina fa efa manipy resaka sahady ny minisitera ary mivoy any amin’ny prezidansa fa ny tale jeneralin’ny paositra no mitarika ny fitokonanay. Diso izany. Nisy ny fivoriana nataon’ny filankevim-pitantanana sy ny tale jeneraly ny zoma 25 jona niresaka momba ny hoe efa hita ny hevitra fa ho zaraina atao EPIC S.A ny paositra. Ny mpiasam-panjakana ho atao any amin’ny minisitera dia ny ECD na ireo mpiasa tsy raikitra mbola tsy hay izay hanaovana azy. Ny filohan’ny filankevim-pitantanana no niteny izany ary niteny tamin’ny tale jeneraly hoe tatero any amin’ny mpiara-miasa fa tokony hanangana komity ao anaty 2 volana ahafahana manao izay fizarana 2 ny paositra izay. Ny talata 29 jona no nampivory ny tale, ny sefon’ny departemanta ary ny lehiben’ny sampana ny tale jeneraly. Tsotra ny antony dia fampitana ny hafatra nasain’ny PCA niaraka tamin’ny minisitra hoe mila hatsangana alohan’ny 30 jona ny kaomisionina miisa 3, izany hoe mandefasa CV ianareo izay hiditra ao hanao ilay fanavaozana na “session et restructuration”. Vita fotsiny izay dia lasa ny tale jeneraly. Izahay mpiara-miasa avy eo no nanapa-kevitra fa tsy mety ary hamono tanteraka ny orinasa izany ka tamin’izay no nanomboka ny fanapahana fa tsy maintsy hihetsika satria tsy mety izany. Tsy ao anatin’ity hetsika ity ny DG an’ny paositra ary tsy izahay mihitsy no hiantso azy hoe andao isika hihetsika, hoy hatrany ity mpanara-maso ankapobeny ny paositra na “inspecteur principale des postes” ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap