Isaky ny 15 martsa no ankalazaina ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC), hetsika natao hampahafantarana ny zo sy andraikitry ny mpanjifa, hanentanana momba ireo olana miseho ary hitadiavana vahaolana manokana amin’ny sehatry ny fanjifana. Teto Madagasikara dia niray feo ireo ankolafy samihafa nankalaza ny « JMDC 2026 » tetsy amin’ny Hotely Tometal Mahamasina omaly, izay teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny varotra sy fanjifana. « Vokatra azo antoka, mpanjifa mahatoky » no lohahevitra tamin’ity taona ity. Navoitra fa mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. « Mbola miparitaka ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka, na tsy manara-penitra, ka mampihena ny fahatokisan’ny mpanjifa satria mampidi-doza azy, indrindra fa ara-pahasalamana », ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Misa RASOLOFOARISON. Navoitrany fa misy tokoa ny ezaka fa mbola betsaka ny fanatsarana mila entina. Nandray anjara tamin’ny fankalazana ireo rafitra ara-panjakana sy fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa toy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ary ny Rafi-pahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC). Nisy ihany koa ny fandraisan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa miisa 11 anjara namelabelatra ny fahitany ny zava-misy, ny ezaka iarahana manao,… narahin’ny fanazavana avy amin’ny laboratoara ACSSQDA, ny Biraon’ny Fenitra eto Madagasikara (BNM) ary ny Komitim-pirenena momba ny fampanarahana ny fenitra Codex Alimentarius (CNCA). Mifanojo amin’izao fankalazana izao ny fandraisana fepetra momba ny tahirim-bary tratry ny hamandoana tao Toamasina noho ny fandalovan’ny Rivodoza Gezani. « Afaka manao fangatahana fanavahana ny vary tsara amin’ny ratsy ny mpandraharaha tompon’ny entana », hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (DGCIC) Gilchrist RAKOTOSON. Ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana miaraka amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa no manatrika ny fanasokajiana ny vary ary ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no manao ny fitiliana momba ny fahazoana mihinana azy na tsia. Izay vokatra mbola azo hohanin’olombelona ihany no mahazo alalana ho varotana eny amin’ny tsena, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»