airtel

Actualités

26-mars-2024

ANDRO RATSY MIFORONA

Tsy ahiana hiditra an-tanety

Sample post image

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

26-mars-2024

Tany amin’ny 168 Km Avaratra Atsinanan’ny distrikan’ i Vohemar no nisy ny foibeny omaly Alatsinainy 25 Martsa folakandro izay mitondra rivotra 45 km isan’ora, miampy tafiotra 55km isan’ora. Na izany aza dia tsy ahiana hiditra an-tanety ity andro ratsy ity, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro na dia vinavinaina hivoatra 100 km miala ny morontsiraka aza ny heriny. Nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro moa fa noho ny herin’ny varatraza no antony mampahery vaika ny rivotra any amin’ny faritra avaratra. Ilay andro ratsy kosa no miteraka ilay ranon’orana any avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana. Arahi-maso akaiky ny fivoaran’ity andro ratsy ity ato anatin’ny 2 andro izay efa sady nahazo anarana ihany koa.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap