airtel

Actualités

05-mars-2024

ANDRO RATSY

Rahampitso vao miverina mianatra ny ao Toamasina

Sample post image

Rahampitso Alarobia 06 Martsa vao miverina mianatra avokoa ireo

05-mars-2024

mpianatra rehetra ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Toamasina I raha toa ka tsara ny andro ary tsy dibo-drano intsony ny sekoly. Antony nahatonga izany ny fisian’ny ora-nikija tany an-toerana naterak’ilay andro ratsy na 𝗣𝗲𝗿𝘁𝘂𝗿𝗯𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗧𝗿𝗼𝗽𝗶𝗰𝗮𝗹𝗲 izay n𝗶𝗱𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗲𝘁𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿’𝗶 𝗩𝗼𝗵𝗲𝗺𝗮𝗿 ny Alahady lasa teo tokony ho 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 11 𝗼𝗿𝗮 𝗮𝗹𝗶𝗻𝗮. Tany amin’ny morontsiraky ny Distrikan’Ambanja no nisy ny foibeny omaly Alatsinainy maraina ary fantatra fa mbola mitondra oram-be tokoa. Nikisaka haingana niakandrefana somary Atsimo Andrefana izy omaly ihany ka mahafaka 35Km isan’ora raha 45Km isan’ora ny rivotra entiny. Arahina tafiotra 65Km isan’ora any an-dranomasina. Andalam-pivoahana an-dranomasina izy omaly hariva ihany ary hanohy ny diany ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika mandritra ny andro maromaro manaraka. Tsiahivina moa fa tsy Toamasina irery no niaina tao anatin’ny ora-mikija omaly fa saika faritra maro mihitsy ka anisan’izany ny teto an-drenivohitra saingy somary nielanelana ora roa na iray teo ho eo izany.
Pati
Legende : Mbola hanohy ny diany any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika ilay andro ratsy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap