airtel

Actualités

16-mars-2026

Andron’ny vehivavy

teny Antehiroka

Sample post image

Ny vehivavy no manampy be indrindra ny fampandrosoana ny kaominina»

16-mars-2026

Noho ny fanarahana ny lamina napetraky ny fitondràm-panjakàna mikasika ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy dia ny sabotsy 14 martsa teo vao nanao ny anjaran’ny ho fanamarihana izany ireo vehivavy monina ao amin’ny kaominin’Antehiroka. Ireo vehivavy anaty fikambanana anivon’ny kaominina, ireo vehivavy miasa anivon’ny fiadiadiana ny kaominina, vondrom-behivavy samihafa no nandray anjara tao anatin’izany. Tsy maintsy miezaka izahay eto anivon’ny kaominina, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Rakotoharivelo, manohana ireo reny sy ray aman-dreny ny amin’izay rehetra atao ahafahan’izy ireo miatrika ny fiainana tsy mintaintaina firy intsony. Ankasitrahana hatrany, hoy izy, ireo mpiara-miasa hatramin’izay tamin’ny fanampiana ny fikambanam-behivavy teto amin’ny kaominina sy ireo marefo. Miantso ireo orinasa mba hijery manokana ny vehivavy satria matetika tsy mahazo asa ny vehivavy mifaninana amin’ny lehilahy. Izany indrindra no anton’ny ezaka atao amin’ny fanomezana fiofanana ireo vehivavy ka iangaviana ireo tomponandraikitra tokony hijery ny ezaka ataon’ny vehivavy. Ny vehivavy no manampy be indrindra ny fampandrosoana ny kaominina, indrindra, amin’ny fampianarana ny olona ny fanadiovana. Ato ho ato dia tena hirosoana izany, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap