airtel

Actualités

06-déc-2023

Andry Biahary

Namoahana didy fampikarohana

Sample post image

Namoahan’ny zandarimariam-pirenena didy fampikarohana sy fampisamborana

06-déc-2023

i Andriamanjaka Jean Luc Fabien na Andry Biahary, araka ny taratasy niparitaka nanomboka omaly. Efa ny 15 novambra no nisian’io taratasy io, raha ny daty misoratra aminy saingy heverina fa izao vao tena navoaka ofisialy. Ny zandarimariam-pirenena, sampana heloka bevava Toby Ratsimandrava no miantsoroka ny raharaha. Resaka fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka tamin'ny taratasim-panjakana miampy fisolokiana no vesatra iampangana azy. Izy moa dia anisan'ireo mpanao ampamoaka amin'ny facebook ihany koa ary tena masiaka fitenenana manohitra ny fitondrana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny tapaky ny volana desambra 2022 dia efa nosamborina tao Toliara i Andry Biahary ary nogadraina andro vitsy tany Fianarantsoa. Nisy ny fijoroan’ireo olobe tao Toliara nitaky ny famerenana azy tao Toliara sy ny fanafahana azy, ka tafavoaka ny fonja ihany ny tenany. Tamin’izany izy no efa nampaneno lakolosy ankoatran’ny voalaza fa fanaovana asa soa. Tato aoriana, dia nahery vaika kokoa ny karazana ampamoaka, ary any ampitan-dranomasina no no hanaovany izany, raha horonan-tsary samihafa avoakany. Maro ihany koa moa no manamarika sy milaza fa olona niara-dia tamin’ny mpitondra ary nampiasainy i Andry Biahary tany aloha, saingy misy ny tsy fitovian-kevitra, ka io mivadika io. Na efa nisy aza ity didy fampisamborana ity, dia mbola namoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera i Andry Biahary izay namoaka sary manao hoe : « ry ambany lanitra, Malagasy namako ! Toy izao ny paoziko mitsirika sy mitazana ity « avis non opposition » ity », izay maneho ankolaka fa sarotra ny hisambotra azy noho ny tsy maha eto an-tanindrazana azy. Tsy vao sambany moa no nisy Malagasy voalaza fa lasa nitsoaka sy nialokaloka any ivelany namoahana didy fampisamborana na didim-pitsarana manameloka azy, saingy mbola sarotra ny fampodiana azy ireny eto. Isan’ny nanaovan’ny Fanjakana Rajoelina an’izany ry Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Filankevitry ny mpitsara teo aloha sady efa kandida filoham-pirenena, Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha, Vonjy Andriamanga Minisitry ny angovo teo aloha ary efa Tale Jeneralin’ny Jirama, Rivo Radanielina Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha,… Tahaka izany ihany koa ireo mpanao politika na mpitondra na tompon’andraikitra ambony sasany teo aloha, izay zary lasa manana sata mpialokaloka ara-politika. Misy ny misafidy ny hangina, fa ao ihany koa ireo tsy mitsitsy amin’ny amin’ny tsikera na ampamoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap