airtel

Actualités

20-févr-2023

Actualités

Angaredona sendikaly” ataon’ny SSM Mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe

Sample post image

Manomboka izao ny valaben’ny sendika eto Madagasikara na SSM dia hametraka fomba fiady vaovao, hoy ny sekretera jeneraly lefitr’izy ireo, Fama Razafimahazo.

20-févr-2023

Hanao ny antsoina hoe “Angaredona sendikaly” izahay, hoy izy. Tsy avelanay hiady irery intsony ireo mpikambana fototra ato amin’ny SSM. Ho ahiratray ny mason’ireo mpitondra mpanapa-kevitra. Ho sokafanay koa ny sofiny ary ho terenay izy handray fanapahan-kevitra mifanandrify amin’ny famahana ny olan’ny mpiasa. Na hiafara amin’ny fidinan’ny sendika an-dalambe aza dia ho ataonay izany. Efa tapitra tamin’ny 15 janoary ny fetra. Tsy mbola misy hatramin’izao ny valin-teny mahafa-po. Tsy misy akory na ny endrika ho famahana ny olana. Ho avy izahay na rahampitso dia rahampitso aza fa fandaminana fotsiny sisa atao. Mila fandinihina lalina anefa ny fanapahan-kevitra ho raisina, hoy hatrany ny tenany. Tapaky ny SSM ny sabotsy teo tao Antsahamanitra moa fa manome iray volana ny fitondrana izy ireo hamahana ny olany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap