tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Actualités

Angovo ho an’ny rehetra Be resaka tany Addis-Abeba indray ny Filoha

Nisokatra ny sabotsy 18 febroary 2023 teo, tany Addis-Abeba Ethiopie ny fihaonana lehibe an-databatra boribory mikasika ny Angovo aty Afrika, izay nomena ny lohahevitra "Sécurisation de l'accès universel à l'énergie en Afrique" andiany faha 36.

20-févr-2023

Sample post image

Fihaonana an-tampon'ireo Filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao amin'ny Vondrona Afrikana izay ihany koa moa izy io. Nitarika ny delegasionina Malagasy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay nilaza fa ny famokarana sy ny fisitrahan'ny vahoaka angovo no anisan'ny fanoitra lehibe amin'ny fampandrosoana nefa na dia manan-karena loharanon'angovo azo havaozina aza ny kaontinanta afrikanina dia mbola ambany ny tahan'ny mponina misitraka herinaratra. Noho izany, mila hafainganina ny fananganana ireo fotodrafitrasa famokarana herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina sy takatry ny fahefa-mividin'ny vahoaka, hoy I Andry Rajoelina. Ho an'i Madagasikara, nolazainy fa vahaolana voalohany sy haingana indrindra ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Ny Fitondram-panjakana, hoy izy, dia mikendry amin'ity taona ity ny hamokatra 50MW azo avy amin’ny herin’ny masoandro amin'ny tanàna miisa 36 amin'ireo distrika 119. Ny tanjona dia ny hananganana "parcs solaires" manerana ireo distrika rehetra afaka taona vitsy. Eo ihany koa ny fizarana "kits solaires" ho ana tokantrano miisa 2 tapitrisa, izay tetikasa hiarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’ny lavitr'ezaka kosa dia eo ihany koa ny fananganana ireo "centrales hydroélectriques" izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena manerana ny Nosy ka hitombo 1000MW ny famokarana herinaratra afaka dimy taona eto Madagasikara. "Tsy azo iodovirana ny fampitomboana ny taha-pamokarana angovo sy fisitrahan'ny vahoaka herinaratra eto amin'ny kaontinanta afrikanina satria io no antoky fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny indostria mba hialantsika amin'ny fahantrana" hoy i Filoha Andry Rajoelina. Tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa isan’ny fampanantenan-dRajoelina tany amin’ny propagandy ny hamokatra herinaratra 400MW vitainy izy irery ao anatin’ny 5 taona raha 400MW no nambarany fa vitan’ireo Filoha nifanesy tao anatin’ny 60 taona. Ho tapitra ny 5 taona, saingy tsy hita izay tena vitany, fa ny ankamaroan’ireo notokanany sy ny hanaovany fampanantenana fa ho vita, dia saika ireo mpitondra teo alohany no angady nananana sy vy nahitana. Ny firesaka any ivelany, dia tahaka ny tena hoe: mihazakazaka amin’ny fandrosoana I Madagasikara!
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
JIRAMA - Tambajotran’ny herinaratra RIA
06-juin-2023

Hiverina amin’ny laoniny amin’ny zoma hono !

Card image cap
Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina
06-juin-2023

Tanterahina eto Antananarivo mandritra telo andron’ny 5-7 jona 2023 ny fivoriambe iraisam-paritra tarihan’ny Blue Ventures entina hamolavolana paikady iombonana hiatrehana ny jono tsy ara-dalàna,

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
06-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
05-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Antananarivo Atsimondrano Misy faritra 2 andro tsy nisy jiro
05-juin-2023

Tena mampijaly fatratra ny mpanjifa ny fahatapahan-jiro lava iainana miaraka amin’ny orinasa JIRAMA. Ho an’ny teny amin’ny kaominina Fenoarivo,

Card image cap
Karazan-javamaniry « pachypodium » Misy mitady hanao trafika sy hanondrana ihany koa
05-juin-2023

Fototra pachypodium miisa 400 eo ho eo, izay mitovitovy endrika amin’ireny zanaka baobab ireny izay tena arovana

Voir plus