airtel

Actualités

02-févr-2024

Angovo sy herinaratra

Miditra 5 taona faharoa ny fampanatenana 400MW…

Sample post image

Efa tamin’ny propagandy 2018 no nanaovana fampanantenana nipoapoaka fa

02-févr-2024

hahavita hametraka 400MW Atoa Rajoelina Andry ao anatin’ny 5 taona, raha toa ka tsy nahavita nametraka afatsy 400MW ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona, araka ny fanamaivanana nataony. Tapitra ny 5 taona teo aloha fa ny sary mitranga dia olana mandavan-taona, ary vao mainka niharatsy fa tsy nihatsara. Tsaroana tsara ny fampanantenana tany amin’ny janoary 2022 fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, kinanjo niaraha-nahita ny zava-nisy. Ao anatin’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana natolotry ny Praiminisitra omaly, mbola ny fitanisana sy fanaovana litania ireo tetikasa lavitr’ezaka roa lehibe dia Sahofika sy Volobe izay izay 120MW sy 192MW izay manome 312MW izay nambara fa hanamafy ny tambajotra RIA aloha no niverimberina. Ireo tetikasa ireo izay tena zava-dehibe, efa noresahana foana tao anatin’ny 5 taona, ary efa talohan’izao fitondrana izao aza no noketrehana saingy mbola tsy mety tena miainga hatreto, fa mijanona ho fampanantenana. Ny taona 2016 ohatra, dia efa hoe : hanomboka ny asa ny orinasa Frantsay Eiffage, 797 tapitrisa euros ny tsenan’asa, fa taty amin’ny faramparan’ny fitondran-dRajoelina dia niala tanteraka io orinasa io. Nambara ao anatin’ny tetikasa momba ny angovo fa hokarakaraina ihany koa ireo ny fomba hitrandrahana ireo toby famokarana angovo avy amin’ny rano madinika sy salantsalany mba hahazoana vokatra haingana sy hamatsy ny tontolo ambany vohitra. Notsorina moa fa maharitra taona maro ny fanaovana an’ireo ka tsy maintsy hotohizana ny fanarenana ny Jirama amin’ny fananganana toby famokarana mitambatra na « hybride ». Nambara fa alohan’ny 26 jona 2024, dia miisa 47 ireo tobim-pamokarana amin’ny herin’ny masoandro ho vita tanteraka. Hametraka kits solaires 453 amin’ireo CSB manerana ny Nosy. Zava-dehibe io, fa hatreto aloha tsy mahavaha olana. Nambara fa hotohizana ny fametrahana « lampadaires » amin’ny kaominina maro, ary hanolo ireo andrin-jiro hazo, hametraka jiro cobra hatrany amin’ny 1500, hamokatra herinaratra ao Sainte Marie 1MW sy 70KW ao Katsepy. Nambara fa hotohizana ny fanarenana ny Jirama ho orinasa reharehan’ny Malagasy. Angaha tsy nanana fahefana sy fahaiza-manao hanao izany ny fitondrana izay efa teo ihany sa nopotehina sy nalentika mihitsy aloha vao harenina ? Nilaza hametraka milina 105MW hahafahana mamatsy ny RIA ho solon’ireo milina tapitra fotoana fifanarahana, ka nambara fa hositrahana mialohan’ny faran’ny taona ireo. Ao anatin’ny 5 taona manaraka dia tsy maintsy hanana toby famokarana angovo madio ny toby mandeha amin’ny solika hampihenana ny fandaniana solika afaka ampiasaina amin’ny sehatra hafa, hoy indray ny fampanantenana. Hatreto aloha izany dia mbola ny fampanantenana no betsaka, ka miandrandra vokatra ny rehetra satria isan’ny tena ain’ny toekarena ny angovo sy herinaratra kanefa ny antsika sady mitsipozipozy no lafo dia lafo, ka mampihemotra ny mpampiasa vola, ary mampikoroso fahana ny efa misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap