airtel

Actualités

29-avril-2025

ANKADIMANGA AMBOHIDRAPETO

Olona 4 naka foza orana indray maty an-drano

Sample post image

Tsy mitsahatra maka olona ny rano eto amintsika. Taorian’ilay tranga nampalahelo tany

29-avril-2025

Mantasoa nahafatesana olona miisa 3 sy ilay tany Mahajanga nahafatesana mpianatra 5 dia olona miisa 4 indray ihany koa no niara-maty an-drano teny Ankadimanga Ambohidrapeto afak’omaly Alahady 27 Aprily. Raha araka ny fantatra dia teny amin'ny tanimbary Andrambita, Fokontany Ambohimidasy no nitrangan’izany ka zazavavy kely 8 taona sy ny zokiny 13 taona ny roa tamin’izy ireo izany hoe : iraitampo.Dadatoan'izy ireo kosa ny lehilahy iray raha lehilahy efa lehibe ihany koa ilay iray farany. Naka foza orana moa no antony nahafaty azy ireo. Tafiditra tamin’ny toerana lalina izy 4 mianaka ka samy tsy nisy tafavoaka. Tsiahivina fa fotoanan’ny foza orana izao eny Atsimondrano eny. 2.000 Ar no hamarotan’ny mpivarotra ny iray kapoaka, antony mampamono tena ny olona tahaka izao maka azy ireny ary hamidy avy eo. Alevina anio Talata ny razana raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ireo razana !

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap