airtel

Actualités

02-mars-2026

ANKARAOBATO

Lehilahy iray tratra

Sample post image

nanodinkodina sy nitazona zaza tsy ampy taona

02-mars-2026

Lehilahy iray no tratra nanodinkodina sy nitazona zaza tsy ampy taona teny Ankaraobato Atsimondrano teny. Ny 25 Febroary hariva teo raha tsiahivina dia tonga nampilaza tao amin’ny Commissariat Central Tanjombato ny Ray aman-drenina zazavavy iray 14 taona fa tsy nody ny zanany vavy nandritra ny roa andro. Ny alin’ny 26 Febroary teo dia nahazo angom-baovao ny Polisim-pirenena fa hita eny amin'ny faritra Ambohibahiny Ankaraobato ilay zaza. Nidina teny amin'ilay toerana voalaza ireo mpitandro ny filaminana ka ny 27 Febroary teo tamin’ny 05 ora maraina dia hita niaraka tamin’ny lehilahy iray teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxibe ilay zaza.Nandositra avy hatrany ity lehilahy ity vao nahatazana ny Polisy saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra.Voararan'ny lalàna ary maha voasazy ny manodinkodina zaza tsy ampy taona. Voasokajy ho olona marefo ary tsy tompon’andraikitra tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny zaza tsy ampy taona ka noho izany dia tsy mitombina ny filazàna fa "sitrapony" no hiaraka na hijanona any amin'ilay olona nitazona azy ka tsy misy fanekena amin'ny Ray aman-dReniny na izay mpitaiza azy ara-dalàna. Mitondra azy any amin'ny manam-pahefàna na mamerina azy amin'ny Ray aman-dReniny no tokony hatao. Nentina eny amin'ny biraon'ny izy Polisy hanaovana famotorana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana.
Pati
Légende : Ity ilay tsy mataho-tody !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap