airtel

Actualités

26-oct-2022

Actualités

Ankazobe Trano 600 tafo may, an’arivony ireo traboina

Sample post image

Olona an’arivony mpitrandraka vato beryl no fantatra fa tsy manana trano fonenana intsony ao Andranomavo Andranomiely, distrikan'Ankazobe, ny faran’ny herinandro teo.

26-oct-2022

Raha araka ny loharanom-baovao dia tadio no nitondra afo voalohany. Rehefa nitonotony anefa izany dia tonga indray ny firehetana faharoa izay mbola tsy fantatra ny tena niaviany, antony nahakila hotohoto ny trano fonenan’izy ireo. Lehilahy 2 no nosamborin'ireo vahoaka any an-toerana vokatr’izany. Ny iray ahiahian'izy ireo ho nandoro ny trano. Ilay faharoa kosa, lazain'izy ireo fa saika nangalatr'entan'olona, nandritra io voina goavana nitranga io. Misy foana rahateo ny mpanararaotra amin’ny toe-javatra tahaka ireny. Efa naterin’ny fokonolona any amin’ny mpitandro ny filaminana moa ireo lehilahy roa ireo ary efa mandeha ny fanadihadiana mifandraika amin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny firehetana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap