Tao anaty tambajotran-tserasera no nahazoan’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra ny fitarainana mifandraika amin’izany tamin’ny alakamisy alina lasa teo. Tamin’ny zoma maraina teo ihany dia efa nidina ifotony teny amin'ny toerana voatondro ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Ankazomiriotra nanaporofo ny fahamarinan'ilay fitarainana.Nosokafana ny fanadihadiana araka izany, nataon'ny mpitsabo ny fizahana, natao ny famotorana ka voaporofo tokoa fa simba ilay zaza. Tsy niandry ela fa tamin’ny alatsinainy 16 janoary teo ihany dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ka dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay tovolahy. Mila mailo hatrany ny manan-janaka vavy rehetra araka izany manoloana ireny karazana tovolahy mivezivezy ao an-tokantrano ireny. Efa tena miharatsy mantsy ny fiainana.
Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa