airtel

Actualités

07-mai-2026

ANKILILAOKA-RN 9

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Sample post image

Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny

07-mai-2026

patrouille de nuit (brigade mixte)," nahitana ny OPJ avy amin’ny DREDD Atsimo Andrefana, ny zandary ary ny fikambanana FARAFATSI, tao Ankililoaka any amin'ny lalam-pirenena faha-9 ireo mpitrandraka hazo tsy ara-dalàna, omaly 06 May tokony ho tamin'ny 3 ora maraina. Sarona nandritra izany ny hazo longrines miisa 51, sarikily 42, handy 5, ary hazontsifaky 4. Voasambotra ihany koa ireo olona miisa 6 tompon'antoka. Notànana avy hatrany ireo olona voarohirohy ary hatolotra fitsarana ny raharaha. Naiditra am-balan-tsazy kosa ny kamiao nitondra ny hazo. Tsiahivina fa efa maro ny tranga toy izao any an-toerana. Misy hatrany ny fidirana an-tsehatra hataon'ireo manam-pahefana sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Na izany aza dia misy koa ny fandrahonana ireo mpiantsehatra amin'ny fiarovana ny ala ka isan'ny mampirongatra ny fitrandrahana sy ny asa fangalarana hazo tsy ara-dalàna, any amin'iny faritra iny. Antso avo araka izany no hatao amin'ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pati
Légende : Ireo hazo tratra sy ilay kamiao nitondra azy !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap