airtel

Actualités

27-oct-2025

ANKORONDRANO ANDREFANA

Trano mihoatra ny 150 tafo no kilan'ny afo

Sample post image

Nanao tohivakana ny haintrano

27-oct-2025

teto an-drenivohitra omaly Alahady 26 Oktobra. Ho an'ny tetsy amin'ny Fokontany Ankorondrano Andrefana raha araka ny fanazavan'ny Sefom-pokontany ao an-toerana dia nihoatra ny 152 tafo ny trano may tao anatin'ny ora roa monja. Tokantrano iray no niavian'ny afo izay tsy mbola fantatra ny antony ary tsy tratra tao ny tompony. Trano hazo ihany koa ny ankamaroan'ireo may. Ny fokonolona tao an-tanàna no nifandrimbona namono ny afo noho ny fahaelan'ny sampana mpamonjy voina hoy hatrany ny fanazavana azo. Fantatra moa fa levon'ny afo ihany koa ny tranom-pokonolona ao an-toerana ka tsy mbola misy ny toerana hamindrana ireo traboina. Vao handeha hifampiresaka amin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Birao nasionaly mosahana ny loza voajanahary na ny BNGRC ny sefom-pokontany hahafahana mamaha ny olana. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Lasa lavenona daholo kosa ireo entana sy vola tao an-trano noharian'ny mponina nandritra ny taona maro.
Pati
Légende : Tahaka izao no firedaredan'ny afo !

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap