airtel

Actualités

19-févr-2024

ANOSIPATRANA ATSINANA

Milona ao anaty rano tanteraka ny mponina

Sample post image

Milona ao anaty rano tanteraka ireo mponina eny Anosipatrana Atsinanana ,

19-févr-2024

kaominina Antananarivo renivohitra vokatry ny rotsak’orana tsy miato tato ho ato. Vao mivoaka ny varavarana dia rano no mitsena azy ireo raha araka ny fitarainan’ny mponina hany ka tonga ho azy ireo karazan’aretina toy ny sery sy ny kohoka, raha tsy lazaina intsony ny tazo mahery. Ny sakafo hohanina anefa etsy an-daniny efa tena tsy ampy hoy hatrany izy ireo noho ny fahasahiranana. Isan-kariva sisa no mba miara-mihinana izay kely hita ny isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia kibo rivotra hatrany no hiainana. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo ireo mponina eny Anosipatrana Atsinanana noho izany. Misy amin’izy ireo moa raha araka ny fantatra no efa miara-miaina amin’ny rano ao an-trano mihitsy. Tsy afa-manoatra anefa na dia reraka sy marary aza vokatry ny tsy fananana fahafahana handoa hofantranon’olona. Am-polony ireo fianakaviana efa miaina izany saingy tsy mbola misy mpijery hatreto.
Pati
Legende : Tahaka izao no hiainan’ireo mponina eny an-toerana isan’andro !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap