raha vao avy ny orana. Vao andro vitsy izay no nirotsahan'ny orana kanefa dia efa tsy ahafahana miampita ireo faritra tahaka an'Andrefanambohijanahary, Soanierana ,Anosy, Besarety sy ny maro hafa. Asa mahazatra sy tokony ho ataon'ny kaominina ary efa misy tetibola nanokana ho an'izany ny fanadiovana ny lakan- drano mandritra ny mainn-tany. Nisy ve anefa izany asa izany raha izao zava mitranga izao. Rotsakorana tsy nisy 30 minitra akory omaly tolakandro dia efa lasa dobo filomanosana ny arabe teny amin'ny Chocolaterie Robert ka hatreny am tobin-dasantsy galana Soanierana. Ny eny Besarety moa na dia teobasa ny fanamboarana ny tatatra sy ny sisin-dalana ary ny arabe dia tahaka ny omaly ihany ny anio, ranobe hatrany am-balahana. Sahirana ireo mpandeha an-tongotra mirava avy miasa sy mianatra, tsy maintsy mirobo-drano na dia hoditra sy hiala taxibe aza. Tsy fahampian'ny tatatra sy tsy fisian'ny lalan-drano noho ny fanotorana tany sy fanorenana be loatra amin'ireo lemaka rehetra eto Antananarivo moa no mahatonga ny fangonan'ny rano ho haingana be.
Solotiana
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa