Marika Mazda.Tsy misy laharana mazava tahaka ny fiara rehetra. Tsy misy na ilay laharana ho an’ny fiara vaovao, na ny laharana ho an’ny fiara efa nahavita taratasy sy nahazo laharana ara-dalana ity fiara 4x4 pick up tazana teny Anosy ity.Olona manao fanamiana mpitandro filaminana, no tazana niaraka taminy ; heverina fa tsy mpisandoka fa tena mpitandro filaminana am-perinasa.Velom-panontaniana ny maro : fa efa azo atao ve izany ny mitondra fiara tsy misy laharana mivezivezy eraky ny tanàna ? Ary ny tena Mahavalalanina dia ampiasaina mpitandro filaminana izay tokony ho fitaratra amin’ny fanarahana fitsipika sy fanajana lalana ilay izy. Tsy hoe fiaran’izy ireo manokana fa fiara nomena mba ampiasaina eo am-panatanterahana ny asa. Ka iza izany no mampijabaka mpitandro filaminana tahaka izao. Ny alatsinainy lasa teo dia efa nisy nahatsikarina teny Analakely iihany koa ny fiara, mbola 4x4 mbola pick up ihany saingy miloko fotsy kosa, tsy misy laharana ihany koa ary mbola nitatitra mpitandro filaminana hatrany.
Nangonin’i RTT
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa