airtel

Actualités

28-avril-2026

Antananarivo Renivohitra

Tsy misy olomboafidy

Sample post image

intsony mitantana ny tanàna

28-avril-2026

Tranga tsy mbola niseho no iainan'ny tananan'Antananarivo Renivohitra ankehitriny. Tsy misy olomboafidy intsony eo amin'ny fitantanana ny tanàna. Olomboatendry no lohan'ny mpanatanteraka, dia delegasiona manokana voatendry ny 15 aprily 2026 tzo. Rava ny Antenimieran'ny tanàna na Filankevitra Monisipaly izay norafetin'ny mpanolotsaina voafidim-bahoaka miisa 55 rehefa nofoanan'ny Filankevi-panjakana ka nodidiany haverina ny fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina natao teto Antananarivo Renivohitra tamin'ny 11 desambra 2024 araka ny didim-pitsarana nivoaka tamin'ny 9 martsa 2026, ary mbola nohamafisin'ny Filankevi-panjakana omaly taorian'ny fangataham-panazavana nataon'ny Mpanolotsaina monisipaly ny fampiharana io didy io, eo anatrehan'ny lalàna 2024-002 mifehy ny vondrombahoakam-paritra eo amin'ny andininy faha-130 vaovao. Mbola olomboatendry avokoa ihany koa ireo mpitantana amperinasa eny anivon'ireo Fokontany miisa 192 eto Antananarivo Renivohitra, ary mbola ho avy afaka andro vitsivitsy ny fanendrena Sefo Fokontany vaovao. Sambany eo amin'ny tantaran'Antananarivo izao tranga izao. Teo, nanohy ny asany hatrany ny Filankevitra Monisipaly na nisy aza fanendrena filohan'ny Delegasiona manokana nanao ny asan'ny Ben'ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra, tamin'ny fitondrana nifandimby teto. Niaina izany ny PDS Hery Rafalimanana tamin'ny 2007 fitondrana Ravalomanana, teo koa ny PDS Edgard Razadindravahy tamin'ny tetezamita, ry Olga Rasamimanana, Joseph Ramiaramanana, Richard Ramanambintana, Harilala Ramanantsoa ary Alexandre Georget. Nizotra ny fitantanana ny tanàna, teo ireo mpiara-miombon'antoka tamin'ireo tetikasa fampandrosoana samihafa niantraika amin'ny fiainam-bahoaka mahakasika ny sosialy amin'ny ankapobeny toy fahadiovana, fahasalamana, fanabeazana. Hanao ahoana ny hoavin'ity Renivohitr'i Madagasikara ity, izy tsy manana olomboafidy amin'ny fitantanana ny tanàna izao ? Mazava loatra mantsy fa ny olomboatendry dia iraka, mena ambanin'ny mena. Hiantsorohan'ny PDS manontolo ny raharahan'Antananarivo manomboka izao.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap