airtel

Actualités

20-févr-2024

ANTANETIKELY AMBOHIJOKY

Lehilahy lasan’ny rano ifampitadiavana

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no fantatra fa lasan’ny

20-févr-2024

rano tao Ampany, kaominina ambanivohitra Antanetikely Ambohijoky, distrikan’Atsimondrano omaly Alatsinainy 19 Febroary maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niampita renirano io lehilahy io no izao tra-doza izao. Tombanana ho nibolisatra izy nandritra izany saingy tsy nahita nifikirana ka nilentika ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsy nitsahatra ny nikaroka azy ny fokonolona nandritra izany. Fanapahan-kevitra noraisin’ireto farany moa ny hiantso ireo karazan’olona mahay rano mba hahafahana mahita ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy iray ity. Tsiahivina moa fa saika niakatra avokoa ny renirano teto amintsika vokatry ny rotsak’orana tsy niato tato ho ato. Ilana fahamailoana araka izany ny fiampitana amin’izy ireny hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Tokony hitandrina ihany koa ireo lakana mpitatitr’olona…. manoloana izany.
Pati
Legende : Ity ilay renirano nitelona olona tao Ambohijoky !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap