airtel

Actualités

10-juin-2022

Actualités

Antanimena May niaraka tamin’ny trano ilay ramatoa

Sample post image

Nitrangana haintrano mahatsiravina tetsy Antanimena, kaominina Antananarivo omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 04 ora maraina.

10-juin-2022

Tsy fantatra mazava izay niandohan’ny afo fa hany nanaitra ny manodidina dia ny fanehoana hafanana be niampy fipoapoahan-javatra raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Ramatoa iray lehibe voalaza fa mipetra-drery, 89 taona no fantatra fa namoy ny ainy tao an-toerana . Levon'ny afo avokoa moa ny efitrano tao ambony rihana rehetra raha tsy dia naninona kosa ny tao ambany rihina. Efa tonga naka ny razana moa ny fianakaviany ary nitondra an-dRatompokovavy natao "autopsie" . Eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no fantatra fa nanaovan’izy ireo izany raha araka ny fanazavan'ny Sefom-pokontany ao an-toerana. Tsy mbola fantatra moa izay tena antony nahatonga ny afo. Na izany aza efa miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana izay tonga maro teny an-toerana tamin’io andron’ny omaly io ihany. Amin’ny ankapobeny moa dia mety sy tsara raha mba misy olona miaraka aminy hatrany ireny zokiolona ireny. Tsy voafetra izany na ao an-tokantrano ao na eny an-dalana. Rehefa diso miakatra mantsy ny taona dia mety tsy ho tadidin’izy ireny intsony ny zavatra nataony na noraisin’ny tanany nefa mety hahafaty tampoka. Nangonin’i Pati Legende : Nandritra izay firehetana

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap