airtel

Actualités

12-oct-2023

ANTSIRABE

Trano an-dalam-panamboarana namono olona

Sample post image

Trano iray mbola eo an-dalam-panamboarana no fantatra fa namono olona iray tany Antsirabe,

12-oct-2023

Faritra Vakinankaratra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia ilay mpanao trano iray ihany no lasibatra tamin’izany nandritra ny fanalany ny "coffrage" tamin’ilay trano vao amboarina. Tototry ny varafasy izy ka namoy ny ainy tsy fidiny vokatr’izany. Na izany aza mbola nanao ezaka mafy ny mpamonjy voina sy ny polisy tao Antsirabe nisikotra azy tao ambanin’ireo biriky sy vy marobe nandrafitra ilay trano. Teny an-dalana handeha hamonjy ny CSB II tao Ambohimiarivo moa no namoy ny ainy ity mpanao trano ity. Marihina moa fa mialohan’ny hananganana trano tahaka izao dia misy ny fanadihadiana tokony hoataon’ny kaominina hahafantarana raha mety hahazaka trano misy rihina ilay tany na tsia. Toraka izany koa ny hafahafaha manorina eo amin’ilay toerana na tsia izay vao mivoaka ny taratasy fahazoan-dalana. Mandritra izany no hanomezana toro-hevitra ilay tompon-trano ny amin’izay tokony hoataony raha ilaina hisorohana ny loza mety hitranga, indrindra fa ny aina mety hafoy tahaka izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fisokirana ilay mpanao trano maty tototra tao !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap