airtel

Actualités

28-avril-2026

Arina fandrehitra,

15000Ar any Andranovory

Sample post image

Any amin'ny 900km no mitondra hataina eto Iarivo

28-avril-2026

Amidy eo amin'ny 15000 Ar ny iray gony arina fandrehitra na "charbon" eo Andranovory amin'iny lalàmpirenena faha-7 any amin'ny 68km mialohan'ny hahatongavana an'i Toliara iny. Tsy dia mifanalavitra amin'izay ny ao Toliara renivohitra. Raha ampitahaina amin'ny eto Antananarivo, azo lazaina ho mora lavitra satria mahatratra hatrany amin'ny 44000Ar ny iray gony lehibe eto an-drenivohitra. Vokany, misy mihitsy ireo mandeha fiara tsotra na taksibrosy hiazo an'Antananarivo no avy any amin'ny 900km no manararaotra mividy sy mivatsy izany. Saika ireo mpandalo noho izany no tena manjifa kokoa. Raha ho an'ny mpandalo avy aty an-drenivohitra, dia mahatsapa fa tena mora io 15000Ar io sady tsara ny kalitaony noho ireo arina fandrehitra any vita amin'ny voamadilo na mokonazy vaventy izay maharitra kokoa. Ho an'ny mponina any an-toerana anefa, sokajiana ho lafo izany arina fandrehitra amin'ny vidiny 15000Ar izany raha raisina amin'ny maha toerana somary ambanivohitra izay malalaka kokoa ny fahafahana mamokatra arina fandrehitra, lafo raha refesina amin'ny fari-piainana sy ny fahefa-mividin'ny mponina,... Anisan'ny mampihazakazaka ny fahapotehan'ny ala ny arina sy ny kitay kanefa io no ampiasain'ny 90% amin'ny Malagasy. Mihalafo sady manimba tontolo. Manery antsika hikaroka loharanon'angovo hafa toy ny etanôla ny zava-misy. Tokony hafainganina sy ampitomboina ary hampiroboroboana ny fikarohana samihafa hoe: inona no angovo hafa asolo ny kitay sy ny arina fandrehitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap