airtel

Actualités

20-févr-2024

ASA FANADIOVANA SY FISOKIRANA TATATRA

Tena ilaina amin’izao fotoam-pahavaratra izao

Sample post image

Tena ilaina amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny asa fanadiovana sy fisokirana

20-févr-2024

ireo tata-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina . Efa saika miaina ao anaty rano avokoa mantsy ny ankamaroan’ny mponina amin’ireo faritra iva efa ho tapa-bolana izao vokatry ny fahantsentseman’ireo tatatra isan-tsokajiny. Tsy hanavahana toerana intsony izany no sady efa namoizana ain’olona mihitsy toy ny zava-nitranga teny Ambohijoky vao omaly. Anisan’ny antony hanaovan’ny Boriborintany fahatelo hetsika fanadiovana faobe izany nanomboka ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny delege Razafimandimby Rija Ethel. Andiany fahatelo sahady io notanterahina io raha araka ny fantatra niarahana tamin'ireo rafitra misy eny ifotony toy ny Fokontany, RF2 ary Fikambanana maro samihafa. Ankoatra ny fisokirana ny tata-drano dia noraofina avokoa ireo karazam-pako ahiana hanentsika ny tatatra hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano. Anisan’ny nanohana ny hetsika moa ny Lefitra voalohan'ny tanan'Antananarivo, ny DEAH Domoina Malala ary ny vondron'ny Polisy monisipaly.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana teny Andravoahangy sy ny manodidina !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap