mpanao gazety Donga William, Tonian-dahatsoratra lefitra na « rédacteur en chef adjoint » teo anivon’ny Radiom-pirenena Malagasy na RNM Anosy. Narary, tratry ny AVC (Accident Vasculaire Cérébral » izy ny 13 desambra 2023. Notsaboina teny amin'ny hopitaly miaramila tetsy Soavinandriana, izao lasa izao. Ny taona 2000 izy no niditra niasa tao amin'ity onjam-peom-pirenena ity. Fikirakirana vaovao amin'ny teny anglisy no nanombohany, ary nitohy tamin'ny vaovao amin'ny teny malagasy sy famokarana fandaharana samihafa teo anivon'ny sampana fampahalalam-baovao. Anisan'izany ny fandaharana "Akon'ny fiarovam-pirenena". Nampandalovina tetsy amin’ny ORTM Anosy toeram-piasany ny nofo mangatsiakany ny sabotsy teo, nialohan’ny nitondrana azy any Vohémar Faritra SAVA fiaviany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa