nisavovona teto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity nandritry ny 4 taona kanefa nenjehina nesorina tao anatin’ny 10 andro mba tsy ho hitan’ireo firenena rahavavy hiatrika ny lalaon’ny nosy eto amintsika dia napetraka nanoloana ny fianarana ho mpitsabo etsy Antsakaviro ankehitriny ny dabam-pakon’ny kaominina. Maro ireo tafitohina manoloana ity fanapahan-kevitra ity ary mitsara izany ho mbola isan’ny fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana eto Madagasikara na koa fanambaniana ny asa fampianarana sy fikarohana eny amin’ny ambaratonga ambony. Tsiahivina rahateo fa sampan-draharaham-pitiliana sy fikarohana momba ny fitsaboana na “laboratoire” ity etsy Antsakaviro ity. Hahamehana diso tafahoatra ve sa fihantsiana? Tsy firaharahiana ny atao hoe fahasalamam-bahoaka koa ve, ankoatran’izay fanaovana tsinontsinona ny fanabeazana sy fikarohana na fampianarana izay? Maro ny fanontaniana tian’ireo mpanara-baovao apetraka no sady miharo fahasorenana ihany koa!
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto