airtel

Actualités

10-oct-2022

Actualités

Assanati Famo Gidraka « Tsy manohana izay voasaringotra amin’ny raharaha politika aho »

Sample post image

Nanamafy Rtoa Assanati Famo Gidraka, filoha mpanorina ny fikambanana Werawera tsy maintsy mandeha omaly fa tsy manao politika velively ny tenany ary tsy manohana izay voasaringotra

10-oct-2022

amin'ny raharaha politika. Raha nanao Publication mahakasika an'i Atoa Mahery Lanto Manadafy na Malama ny tenako hoy izy dia amin'ny maha namako azy fotsiny no antony noho ny fahavoazana mahazo azy . Izany indrindra hoy izy no antony hamerenako izao fanazavana izao satria izaho sy ny olona tarihiko dia tsy manao politika ary hanatsahatra ny resaka momba an’i Malama aloha hatreto. Nomarihiny araka izany fa tsy ho tompon'andraikitra amin’ izay zavatra mety hiseho ny tenany sy ny fikambanana Werawera tsy maintsy mandeha izay tarihiny. Ajanony araka izany ny fizarana vola mahakasika an’i Malama, fa ny finamanana kosa dia mipetraka eny foana. Ankoatra izay dia nanambara Rtoa Assanati fa mitohy ny fizarana ilay tosika PPN ho an’ireo namana mpiwerawera rehetra, satria tsy misy manana ny ampy hoy izy fa sambatra izay mifanampy ary ny Werawera tsy maintsy mandeha hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Mijanona ho naman’i Malama aho , hoy i Assanati Famo Gidraka
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap