ambany” i Madagasikara ho an’ny 2026, araka ny famaritana napetraky ny Banky Iraisam-pirenena. Isaky ny voalohan’ny volana jolay no havaozin’io rafitry ny Breton Woods io ity sokajy ity, ary amin’ity taona ity dia ireo firenena manana Harin-karena Faobe isam-batan’olona (RNB) latsaky na mitovy amin’ny 1 135 dolara tamin’ny taona 2024 no voasokajy ho amin’io sokajy io. Tafiditra ao anatin’ity sokajy ity i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 1980. Raha 30 % ny isan’ireo firenena voasokajy ho “fidiram-bola ambany” tamin’ny 1987, dia nihena ho 12 % izany tamin’ny 2024. Aty amin’ny faritra Afrika Atsimon’i Sahara, izay misy an’i Madagasikara, dia nihena avy amin’ny 75 % ho 45 % ny tahan’ireo firenena anaty sokajy fidiram-bola ambany tao anatin’ny fotoana mitovy, saingy tsy mba isan’ny tafavoaka isika, fa vao mainka miha mitotongana aza. Araka ny fanazavan’ny Banky Iraisam-pirenena, misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny firenena ny sokajin-karena misy azy. Mety ho fepetra hidirana amin’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny iraisam-pirenena sy famatsiam-bola amin’ny fepetra manokana (concessionnel) io sokajy io. Ho an’i Madagasikara manokana, ny RNB isam-batan’olona tamin’ny 2024 dia 510 dolara, mitovy tamin’ny 2023. Rambony isika mitaha amin’ireo Nosy manodidina, saingy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina hono no mpitarika mendrika indrindra aty Afrika.
RAMBONY MILAHATRA AMIN’IREO NOSY MANODIDINA
Ny RNB isam-batan’olona atsy Seychelles mahatratra 21 875 dolara, ny atsy Maurice 11 590dolara, ny any La Réunion efa 25 333 dolara, ary ny any Comores nolazain-dRajoelina fa hampindraminy vola rehefa mahazo fitondrana izy 1610 dolara. Mizara ho sokajy efatra ny firenena eran-tany araka ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena: Fidiram-bola ambany (≤ 1 135 dolara) ; Fidiram-bola salantsalany ambany (1 136–4 495 dolara) ; Fidiram-bola salantsalany ambony (4 496–13 935 dolara) ; Fidiram-bola ambony (> 13 935 dolara). Isika irery izany no rambony sy anatin’ny farahidiny raha io fanasokajiana io. Nomarihina fa nidina kely ireo fetran'ny sokajy amin'ny 2025 ka lasa ambany noho ireo fetran'ny taona lasa (1 145 dolara ho an'ny fidiram-bola ambany, 1 146–4 515 dolara ho an'ny salantsalany ambany, sns). Na izany aza, tsy nahavita niarina i Madagasikara, porofon’ny fitohizan’ny faharefoana ara-toekarena sy ny fahantrana lalina, tsy nahitana fivoarana mahatsapa ho an’ny vahoaka.
MAN DANY VOLAM-BAHOAKA AMIN’NY ZAVATRA TSY MAMOKATRA
Izao no zava-misy saingy mbola tsy zavatra mamokatra, tsy miteraka harena, tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka no hanaovan’ny Fanjakana Rajoelina fafy katrana ny volam-panjakana, fa kirendrarendra, toy ny teleferika, bus elektrika, kianja, afomanga, tanamasoandro,… Ny politikan’ny famoronan’asa tsy misy, ny politikam-pamokarana sehoseho ivelany sy bizina no betsaka, ny sehatra manara-dalàna vitsy, ny fitrongisam-bola etsy sy eroa mitombo fa tsy misy tamberiny,… Izany no mbola hampiana 5 taona manaraka. Mbola sahy hilaza fa diso sy tsy marina ny mari-pandrefesana iraisam-pirenena fa sambatra ny Malagasy ?
Toky R
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana