Misy ny nandeha ady madio ary misy ny nandeha ady heloka, saingy resy foana io banky io hatramin’izay, hoy i Lercia. Nambarany fa betsaka ny fihoaram-pefy na “moyen dilatoire” ataon’io banky io amin’ny alalan’ny “procédure” tsy mifototra amin’ny lalàna na “base légale” ary rehefa tsy hitany ny atao dia mirona mankany amin’ny fanaratsiana sy fanalam-baraka, toy ny fandrisihana mpanao gazety karamaina amin’ny alalan’ny vaovao tsy marina. Efa napetraka teo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny momba izany fanalam-baraka natao tamin’Atoa Lercia izany ary miroso mankany amin’ny fandinihana sy fanadihadiana lalina ny tompon’andraikitra eto Antananarivo, raha ny fanampim-panazavany. Rehefa nanao fanatanterahana na “exécution” Andriamatoa Lercia tamin’ny alalan’ny vadin-tany ny 07 jolay, dia nambarany fa nanohitra mafy tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny io banky io, ary nanao zavatra tsy dia fahita teto aminy firenena izy ireo satria mangataka ny “retractation de grosse” any aminy tribonaly ambaratonga voalohany, kanefa didy efa nanaovan’izy ireo “appel” na fampiakarana. Nanaovan’izy ireo PIL (Pourvoi Intérêt de la Loi) kanefa resy hatrany izy ireo. Nisy ny “arrêt” tsy dia fantam-pihaviana loatra nentin’izy ireo efa “casse et annulé” io, hoy hatrany Atoa Lercia. Fehiny, nanao “bref délai” izy ireo mba hampitsaharaa ny “exécution”, kanefa nivaly omaly 03 aogositra 2022 izany ary nolavin’ny fitsarana ny fangatahan’ilay Banky, raha ny fanazavan’Atoa Lercia hatrany. Notsipihiny fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka tokony hohajain’ny vahiny ny lalàna eto amintsika. Ho hita eo indray ny tohiny!
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa