airtel

Actualités

11-mars-2026

BANKY SIPEM SY NY MATER AUTO

Hanampy ny Malagasy hanjifa fiara vaovao

Sample post image

Hiara-kiasa hanampy ny Malagasy hanjifa

11-mars-2026

fiarakodia vaovao ny banky Sipem sy ny orinasa Materauto etsy Ankorondrano. Raha araka ny fantatra mantsy dia fiara efa niasa na occasion avokoa ny ankamaroan'ireo fiara hampiasan'ny mpandraharaha, orinasa....eto amintsika. 5.000 isa monja isan-taona ireo fiara vaovao mba misy mividy. Ekena fa lafo ny vidin'izy ireny hoy ny tompon'andraikitra, antony tsy hahafahan'ny Malagasy manjifa azy ka nanosika ny banky Sipem hitady vahaolana. Afaka mihindram-bola ao amîn'izy ireo ny mpanjifa mba hividianana izay fiara vaovao ao amin'ny orinasa Materauto izay. Azo aloha tsikelikely ny vidin'izany, izay tsy mijanona ho volana vitsivitsy intsony fa nitarina ho aman-taonany maro mihitsy raha araka ny fanazavana azo omaly. Tanjona ny mba hahafahan'ny Malagasy mampiasa fiara vaovao na dia ho an'ny ankohonany fotsiny ihany aza. Fantatra moa fa voaaro amin'ny alalan'ny assurance hiantohan'ny banky Sipem avokoa ilay mpividy sy ny fananany ary ny fianakaviany ho tombontsoan'izy ireo.
Pati
Légende : Niitatra amin'ny orinasa Materauto indray ny fiaraha-miasan'ny banky Sipem !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap