airtel

Actualités

06-oct-2026

BANKY

SIPEM SY NY SOLIDIS

Sample post image

Hanampy ny ankohonana

06-oct-2026

Malagasy hanana trano mahaleo tena
Betsaka ireo fianakaviana mitaraina amin’ny fandoavana hofantrano isam-bolana amin’izao. Efitrano roa miampy lakozia sy trano fidiovana ary fivoahana no hofaina 300.000 Ar eto an-drenivohitra nefa mbola tsy misy filaminana koa. Mpanofa trano maromaro no miray lalatsara, varavarambe amina trano lehibe iray....Samy mba tena hanana ny tranony mahaleo tena avokoa ny tsirairay noho izany saingy ny volabe hatokana amin’izany mihitsy no tsy misy. Mbola hafa ihany koa ny vola ilaina hividianana tany, ny hanoratana izany eny anivon’ny kaominina....Nahita vahaolana mifandraika amin’izany ny banky Sipem sy ny Solidis. Trano efa vita miisa 35 no hatolotr’izy ireo eny Imerimanjaka Ambohijanaka. Azo aloha tsikelikely mandritra ny 10 na 15 taona izy io miaraka amin’ny Banky Sipem amin’ny alalan’ilay tetikasa Tranosoa. Toraka izany koa ny eny Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano. Tanjon’ny roa tonta ny hanampy ireo tokantrano Malagasy mba hanana trano mahaleo tena ho azy hialana amin’ny fandoavana hofantrano lava. Tsiahivina moa fa lasa olana ara-piarahamonina goavana mihitsy amin’izao ny resaka tsy fandoavana na fitsoahana hofan-tranon’olona.
Pati
Legende : Nifanaiky tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia ny roa tonta fa hiara-kiasa !
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Maniatatra ny fahaiaza-manao

Card image cap
06-oct-2026

ireo ezaka sy fahombiazana azo

Card image cap
06-oct-2026

Nanolotra tany 1.700ha hambolen-kazo ny FLM

Card image cap
05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo « poste fixe mixte »

Card image cap
05-oct-2026

Ela loatra ny "permis biometrika,

Card image cap