Naivo no nivarotra tany. Nandray ny vola 500.000 Ar izy nandritra izany ka narahin'ny jiolahy. Rehefa takotakona dia nandeha ny vono sy daroka. Lasa ihany koa ilay vola sy finday ary ny Clé USB tany amin’ity Raim-pianakaviana ity. Tadidiny tsara anefa ilay antsy namelezana azy. Fantany koa ny iray tamin'ireo namono azy izay tsy iza fa mpiray tanàna aminy. Henony sady fantany koa ny feon'ny iray tamin'ireo jiolahy izay niteny hoe : "Ao izay , ndao amin'izay handeha fa efa maty io".Taraiky teo ity Raim-pianakaviana ity, tranga niseho tamin’ny Alarobia alina teo. Ny Alakamisy tokony amin'ny 03 maraina izy no nisy nanatitra tao amin’ny vady aman-janany fa tsy maty. Niditra antsehatra avy hatrany ny ekipan'ny zandarimaria ao Behenjy raha vao naheno ilay tranga. Nosamborina ireo voatonona ka tratra tao ilay antsy nampiasaina, sy ilay Clé USB. Mbola karohina hatreto ny namany sasany izay nihazona ny vola. Hatolotra ny fitsarana anio izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy namono ny namany
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa