airtel

Actualités

16-janv-2024

BESALAMPY

Botry iray nahatrarana hazo « palissandre » 113 tsy mazava

Sample post image

Botry iray tany amin’ny distrikan’i Besalampy tany no fantatra fa nahatrarana hazo palissandre

16-janv-2024

miisa 113 tsy mazava. Vokatry ny velam-pandrika nataon'ireo mpitandron'ny filaminana niaraka tamin'ireo olona tsara sitrapo tao Antevamena Fokontany Ankilimonga no nahatrarana ilay botry. Saika haondran’ireo ati-doha nikotrika izany any amin’ny toerana tsy fantatra ireo hazo sarobidy marobe ireo. Haingam-piasa anefa ny mpitandro ny filaminana ka teo am-piaingana mihitsy no sarona ilay botry. Nankasitraka manokana ny lehiben'ny OMC Distrika Atoa Bezokiny Yris Jacky sy ny lehiben'ny Distrikan’i Besalampy izay miady mafy amin'ny fanapotehana ny ala sy ny fanondranana ny harena sarobidy tahaka izao moa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsiahivina moa fa efa nisy ihany ireo botry na sambo tratra nikasa hanondrana harem-pirenena tahaka izao saingy toa nanjavona tsy nisy tohiny avokoa ny ankamaroan’ireny raharaha ireny.
Pati
Legende : Ity ilay botry tratra sy ireo hazo sarobidy tao anatiny !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap