airtel

Actualités

18-janv-2024

BESARETY SY MAHAVOKY

Orana 30 minitra dia dibo-drano ny tanàna

Sample post image

Efa mitaintaina andro aman’alina ireo mponina eny Mahavoky sy Besarety

18-janv-2024

nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo. Raha vantany vao mikija mafibe mandritra ny 30 minitra tahaka ireny mantsy ny ranon’orana hoy ny fanazavan’ireo mponina dia efa dibo-drano avokoa ny tanana. Tonga hatrany an-tokantrano hatramin’ny rano maloto no sady tapaka ihany koa ny lalana. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny fahatsentseman’ny lalan-drano mpamoaka rano eny an-toerana no mahatonga izany. Efa an-taonany maro mantsy no tsy nisy fanajariana intsony teny amin’iny faritra iny fa ny fokontany no manao izay tratra amin’ny fanadiovana hoy hatrany ny mponina. Misy amin’ireto farany ihany koa hoy ny vaovao no manao ny hataony ka tsy mahatsapa akory fa mandrora mitsilany izy ireo rehefa manary fako any anaty tata-drano ka mbola manao ihany na dia amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao aza.
Pati
Legende : Ranobe tahaka izao no hiainan’ny mponina eny Besarety nanomboka ny Alatsinainy teo !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap