airtel

Actualités

04-mars-2024

Biby hafahafa

Talatanivolonondry sy Talatamaty indray no lasibatra

Sample post image

Misy olona nijoro vavolombelona, mponina eny Talatanivolonondry momba

04-mars-2024

ilay biby hafahafa ny sabotsy teo. Maty ny alikanay, hoy izy. Reko tsara mihitsy ny fitrenan'ilay biby tao ivelany. Nioron-koditra tanteraka aho. Sady mandondona sy mandrangotra varavarana ilay izy. Ny rà an'ilay alika no trohany, maty ilay alika avy eo. Mety be dia be ianareo no tsy mino fa asakasakareo. Izay no zava-misy, hoy hatrany ny fitantarany. Tsy teo Talatanivolonondry ihany no nisy alika maty tamin’ny fomba hafahafa tamin’io fotoana io, raha ny fampitam-baovao hatrany, fa teny Talatamaty ihany koa ary raha fintinina moa izany ny fomba fanaony dia mandoka kibo sy mitrokan’ny ran’ireo biby fiompy izay tratrany hatrany izany na saka io na omby na kisoa na alika. Hatreto, mbola tsy nisy vaovao ofisialy avy amin’ireo tomponandraiki-panjakana mikasika ny tena fihaviana na anaran’ity biby hafahafa ity. Ireo mpanara-baovao sasany kosa dia manombana fa mety ho izany biby antsoina hoe Chupacabra izany izy ity. Ity biby voalaza farany ity dia mbola tsy voaporofo ara-tsiansa hoe avy aiza marina na dia efa siantifika maro aza no nanadihady momba izany maneran-tany, raha ny voalaza hatreto hatrany aloha. Voalaza ho tena haingam-pitsambikina sy tsy mamela mahazo izay tra-tehany hatrany ihany koa ity biby ity. Talatanivolonondry sy Talatamaty indray izany no lasibatra ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap