airtel

Actualités

23-août-2022

Actualités

Biraon’ny faritra Itasy Mpiasa tao ihany no tratra namoaka entana tao an-toerana

Sample post image

Lehilahy iray 45taona izay mpiasa ao amin’ny Faritra Itasy ihany no tratra nangalatra tao amin’ny biraon’ny Faritra Itasy ny Sabotsy 20 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

23-août-2022

Teo am-pitaomana ireo entana nangalariny izy no tazan’ny mpiara-miasa aminy hafa ka ireto farany no niantso ny mpitandro ny filaminana. Tratra ambodiomby mihitsy ity farany nandritra izany izay marihina fa namoaka entana amin’ny lera sy andro tsy fiasana. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary noentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny CSP Miarinarivo. Marihina fa efa nisazy tao amin’ny fonjan’i Miarinarivo koa ity farany noho ny resaka vono olona tamin’ny taona 2015. Naiditra am-ponja vonjimaika indray ny lehilahy taorian’ny niakarany teo anivon’ny fampanoavana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap