airtel

Actualités

28-févr-2023

Actualités

Biraon’ny holafitry ny mpanao gazety Nahazo fitaovana informatika avy amin’ny Sinoa

Sample post image

Tanteraka ny fikasan’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rasoloarison Monica andiany voalohany entina hanatsarana ny tontolon’ny asan’ireo mpanao gazety eto amintsika.

28-févr-2023

Tonga nanolotra fitaovana informatika ho an’ny biraon’ny holafitra tetsy Ambohidahy omaly ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara izay nahitana solosaina fiasa any amin’ny birao miisa telo miaraka amin’ireo karazana kojakoja mifandraika aminy. Toraka izany koa ny onduleurs miisa telo sy solosaina entin-tanana miisa roa ho an’ny holafitra. Azon’ireo mpanao gazety hikarakarana sary sy feo hampiasaina tsara araka izany ireo fitaovana ireo isaky ny tapak’andron’ny maraina etsy Ambohidahy. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo moa Atoa , Guo Xiaomei, masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara miaraka notronin’ny filoha holafitry ny mpanao gazety Rtoa, Monica Rasoloarison. Vao fiandohan’ny fiaraha-miasa ihany moa izao nosantarina tamin’ny fanolorana fitaovana omaly izao raha anisan’ny tanjona iraisan’ny roa tonta kosa ny hananana mpanao gazety matihanina, miara-miasa ho an’ny fampandrosoana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap