airtel

Actualités

01-févr-2024

Boaderozy 640 taonina any Tanzanie

Nafatratra any amin’ny HVM ny rihitra…

Sample post image

Mivoaka ny fandisoana mivantana na ankolaka mikasika ny fisiana tranga fahatrarana

01-févr-2024

boaderozy mahatratra 22 kaontenera any Tanzanie. Ny resaka niely, dia niainga avy teto Madagasikara ny 23 desambra 2023 ireo boaderozy, ary nisy aza ny mpamakafaka politika tsy monina eto Madagasikara, fa nisy ny fiaramanidina manokana na « jet privé » nitondra iraka manokana nakany, ary nilaza fa misy olona ambony arovana, ary misy manamboninahitra ambony ao ambadika. Nambaran’ny vaovaom-panjakana kosa fa boaderozy naondrana teo anelanelan’ny taona 2014-2016 tamin’ny fitondran’ny HVM io. « Misy tokoa ny andramena izay niainga taty Madagasikara tany amin’ny volana may 2014, 34 kaontenara na 20 pieds. Tratra tao Nairobi Kenya, ka ny Minisiteran’ny tontolo iainana any no nitory sy nanao fanagiazana. Taty amin’ny 2021 no namoaka didy ny fitsarana Kenianina ka nafindra tany amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana, nafindra tamin’ny kaontenera 20. Ny 2022 indray no saika halefa tany Dubai saingy sarona tao Tanzanie indray. », hoy ny Fadin-tseranana Malagasy tamin’ny alalan’ny Tale Jeneraliny Atoa Lainkana Zafivanona Ernest omaly 31 janoary. Nambara fa manana fanantenana amin’ny hahatafaverenan’ireo boaderozy milanja 640 taonina ireo izay voageja tao amin’ny seranantsambon’i Kenya ny taona 2014 i Madagasikara. Voalaza fa mandeha ny fifampiresahana amin’ny manam-pahefana Tanzanianina mba hamerenana ireo hazo sarobidy ireo izay tratra tany an-toerana ny desambra 2022. Ny novambra 2023, iraka miisa 3 avy amin’ny fadin-tseranana Malagasy no voalaza fa nalefa tany Tanzanie. Misy noho izany fanantenana ny hahazoana vokatra satria nanohy ny fifampiraharahana ny Fanjakana Malagasy nanomboka ny fiandohan’ny taona 2023, volana vitsy taorian’ny fahatrarana ireo andramena, raha io fanazavana io hatrany. Rehefa zohiana izany, nivoaka an-tsokosoko teto, voageja tany Kenya ary saika halefa tany Dubai no tratra indray tany Tanzanie ny 2022. Voalaza mantsy raha ny tatitry ny vaovao hafa, fa nomen’ny Fitsarana Kenianina rariny ny orinasa sinoa izay nividy izany, ka afaka niala tao Kenya. Nisy ny fanohanana nataon’ny mpiaro ny tontolo iainana KFW tao Kenya io fanapahan-kevitra io, ary nandà tsy hitondra ny entana ny kaompania maro, kanefa nahita kaompania hitondra azy ihany ireo sinoa, dia io voageja tao Tanzanie io. Mbola azo heverina ve ny hahatafaverenany aty Madagasikara sa hanjavona ohatran’ilay tany Singapour 10 taona lasa koa izay na koa tahaka ny volamena niondrana any Afrika Atsimo, Kaomoro, Maorisy, Dubai,… ? Tena haintsika sy voafehintsika ve ireo harenan’i Madagasikara ka miaro azy sy mamadika azy ho fanoitra manoloana ny fahantrana sa dia olom-bitsy sy ny vahiny hatrany no mitavana azy fa isika avy eo mangataka tsipaipaika hanaovana dabilio ?

Tany amin’ny Fitondrana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina no voasokajy ho nanombohan’ny trafikana boaderozy izay tena nalaza mihitsy. Nisy ny karazana ampamoaka sy fitoriana samihafa, toy ny nataon’ny Profesora Zafy Albert fahavelony. Nisy lisitra navoakan’ny Praiminisitra teo aloha Atoa Jean Omer Beriziky mikasika ireo mpanao trafika. Hatreto anefa, ireo heverina fa irakiraka tahaka an-dry Eddy Maminirina na Eddy boaderozy no manefa, fa ny raharaha sy ny dosie avo lenta nipirina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap